- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversATSIMO ANDREFANA : Toliara : Malaina manangan-tsaina ny mponina, mitombo isa...

ATSIMO ANDREFANA : Toliara : Malaina manangan-tsaina ny mponina, mitombo isa ireo ankizy mpirenireny mangataka sy mpatory an-dalana

Tapa-bolana mahery kely tsy higadonan’ny tsingerin-taona faha-56 niverenan’ny fahaleovantena malagasy dia tsikaritra fa tsy rototra na malaina manangan-tsaina ny ankamaroan’ny mponin’i Toliara. Na dia efa namoaka fanambarana aza ny teo anivon’ny Prefektiora fa ny alatsinainy 6 jona no hanombohan’ny fananganan-tsaina, dia tsy taitra amin’ny fanentanana ny vahoaka. Ankoatra ireo moa dia mbola vitsy ny saina mitsangana eran’ny tanàna. Tsy fantatra ny antony, fa tao anatin’ny telo taona, raha ny hita, dia tsy marisika manangan-tsaina intsony ny olona. Ny ankamaroan’ny mponina variana amin’ny fitadiavana ny harapaka androany. Ny sainam-pirenena vidina dimy arivo ariary ny mora indrindra.
Sorena ny mpizaha tany. Maso mahita eto Toliara ihany koa, dia mitombo isa saika isan’andro ireo ankizy mpirenireny mangataka sy mpatory an-dalana, mitsindroka eny rehetra eny. Amin’ireo toerana aleha be mpivezivezy dia ahitana olona sahirana ara-pivelomana. Efa sorena hatramin’ireo teratany vahiny mpizaha tany, satria tsy mijanona ny omeo omeo ataon’ireo mpangataka na kely na lehibe. Ny tena mampalahelo dia misy mihitsy ireo ray aman-dreny sasany mampivaro-tena ny zanany noho ny kibo tsy mba lamosina. Mitombo isa ihany koa ireo kilonga miala ny sekoly noho ny fahasahiranana misy, satria tsy vitsy amin’ireo zaza mianatra no tsy misakafo ka safotra any am-pianarana, raha ny fanazavana voaray.
Eric Manitrisa

Mirongatra ny aretin-tsofina tsitongan-dronono, maro ny ankizy voa
Betsaka amin’ireo ankizy any ambanivohitra, aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, no tratry ny aretin-tsofina tsitongan-dronono, raha ny fanazavana azo. Mety hiteraka tsy fandrenesana intsony mihitsy ity aretin-tsofina ity raha tsy voatsabo, hoy ny mpitsabo, ka voatery mitondra fitaovana mandavan-taona mihitsy, nefa lafo ny vidin’ny fitaovana sady tsy misy eto an-toerana ihany koa. Raha araka ny fanazavana voaray hatrany dia vokatry ny tsy fitandreman’ny reny eo am-pampinonoana ny menaky ny ainy no mahatonga ny aretina. Eo ihany koa ny loto vokatry ny fadifady samihafa noho ny fomban-tany. Tsiahivina fa lasa vesatry ny fiarahamonina sy ny firenena ny ankamaroan’ireo olona tsy afaka mandre intsony eto amintsika.
Eric Manitrisa

Morombe – Befandriana Atsimo : Fampianarana, tsy ampy ny fotodrafitrasa, amin’ny tany ny ankizy no mianatra

Mijaly ny ankamaroan’ ireo ankizy mandrato fianarana any amin’ny kaominina Befandriana Atsimo, Distrikan’i Morombe, satria miladina an-tany ny ankamaroan’ireo mpianatry ny EPP any an-toerana noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-pampianarana ivantanan’ireo mandrato fianarana. Tsy misy dabilio hany ka amin’ny tany ireo mpianatra no manoratra. Ny biraon’ny tale any an-tokotany no misy azy. Manao antso avo amin’ny fanjakana ireo ray aman-dreny mampiana-janaka sy ireo mpampianatra mba hijerena akaiky ny famahana ny olana mba tsy hampitsoaka ireo ankizy. Tsy ny any Befandriana Atsimo ihany no mitondra faisana, efa antitra sy konka avokoa ny ankamaroan’ireo sekolim-panjakana tsy ampy fikojakojana, fa  mbola betsaka amin’ireo fotodrafitrasam-pampianarana simban’ny rivo-doza amin’ iny Faritra Atsimo Andrefana iny no tsy voaarina hatramin’izao, toy ny hita ao Tsifota, Manombo Atsimo, any amin’ny Distrikan’i Toliara II, sns.
Eric Manitrisa

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici