- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Mpisandoka ho mpiasan’ny radio, karohina

Atsimondrano : Mpisandoka ho mpiasan’ny radio, karohina

Lehilaly iray no misandoka ho mpiasan’ny Radio Plus ary mitaky vola amin’ny olona any amin’ny faritra Atsimondrano iny, nanomboka ny volana septambra no nahazoan’ilay onjam-peo voakasika vavolombelona ankehitriny. Sekoly maro amin’ny faritra Atsimondrano efa lasibatry ny fisolokiany ary isan’izany ny tao Tanjombato sy Ankaraobato. Voalaza fa mitondra karatra sandoka maha-mpiasan’ny Radio Plus azy ity lehilahy ity ary mitondra fitaovana fandraisam-peo izy hanatontosany ny asa fisandohana. Avy eo takiany vola ireo sekoly. Tonga amin’ny sekoly iray ilay tovolahy ary milaza hanao fanadihadiana izay handeha amin’ny onjam-peon’ny 100. 2 FM izany. Marihina anefa, fa tsy manana fandaharaha momba ny sekoly sy ny ankizy ilay onjam-peo hatreto. Marihina ihany koa, fa mampiseho karapanondro sy taratasy manamarina fa mpiasan’io radio io ary misy taratasy fanamarinana avy amin’ny tompon’andraikitra ny mpiasa eo anivony rehefa mamita iraka. Manaitra ny tompon’ny sekoly sy ireo ray aman-dreny araka izany ny Radio Plus, raha araka ny fampitam-baovaony omaly mba ho malina manoloana io mpisandoka io. Efa nisy ihany koa ny fitoriana napetraka any amin’ny polisy momba ity raharaha ity. Efa mandeha ny fikarohana. 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici