Trano miisa telo no indray nasesin’ny jiolahy notafihana ny alin’ny talata teo tetsy Ambohimisandratra, distrikan’Atsimondrano. Tao anatin’izany fanafihana mivaivay izay dia rangahy lehibe iray no namoy ny ainy, rehefa voatifitr’ireo olon-dratsy.
Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, raha angom-baovao azo. Andian-dahalo mahatratra teo amin’ny valolahy teo, nirongo basy no tonga nampihorohoro ireo mponina. Tokatrano telo, izay nahitàna mpivarotra iray no nataon’izy ireo lasibatra tamin’izany ka vola mitentina aman’hetsiny maro, niaraka tamina entana sarobidy isan-karazany sy fitaovana elektronika lafovidy maromaro no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Araka ny fantatra hatrany dia lehilahy lehibe iray, tokony ho enimpolo taona mahery any ho any no namoy ny ainy. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy, rehefa nandre kotaba teo amin’ny trano nifanila vodirindrina taminy ilay rangahy dia nivoaka avy hatrany nijery ny zava-nisy. Ny tsy fantany anefa tamin’io fotoana io dia efa teo am-boditranony ireo olon-dratsy ka raha vao nivoaka ny trano iry rangahy lehibe avy hatrany dia norarafan’izy ireo ny bala. Nandriaka teo ny rà. Izany feom-basy nanakoako tao an-tanana izany no nanaitra ny rehetra. Ireo mpanafika kosa tetsy an-danin’izay efa avy nahavita ny asa ratsiny ka nirifatra nitsoaka niaraka tamin’ireo entana halatra sy ny vola azon’izy ireo. Tetsy andanin’izay kosa dia nifandrombaka namonjy an’ilay raim-pianakaviana nitsirara tanaty rà mandriaka ny rehetra. Nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony ainy, raha ny vaovao hatrany. Efa nampandrenesina mahakasika ity fanafihana ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Natao avy hatrany ny savahao sy ny fikarohana ireto andian-olon-dratsy ireto.
m.L