- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversATSINANANA Fanafihan-jiolahy tao Ambohijafy Toamasina : Mitondra ny laharana 947/96 ny bala...

ATSINANANA Fanafihan-jiolahy tao Ambohijafy Toamasina : Mitondra ny laharana 947/96 ny bala “p.a” nampiasan’ireo jiolahy

Raha somary nanginingina ny resaka fanafihan-jiolahy teto Toamasina, taorian’ireo fakana an-keriny karana sy fanafihana mpividy entana sy tranombarotra teo aloha teo, dia miverina kosa izany ankehitriny tahaka ity nitranga ny alatsinainy 27 aogositra teo ity tokony tamin’ny 04 ora tolakandro tao Ambohijafy Toamasina ity. Raha ny fanazavana dia efa narahan’ireto andian-jiolahy mpitaingina moto Scooter ity rangahy iray nitondra sakosy nitaingina “Tuc-Tuc”. Raha tonga tao Ambohijafy lalana mihazo ny fiangonana Ste Thérèse iny anefa, raha niala teo ambonin’ilay “Tuc-Tuc” ilay rangahy, dia nambanan’ireto andian-jiolahy roa nitaingina moto ireto basy PA. Nentina nandrahonana azy hanome ilay sakosy sy nampitahorana ireo olona maromaro tsy lavitra teo, dia nanapoaka basy tifi-danitra in-02 ireto andian-jiolahy roa lahy. Noho ny tahotra dia nanolotra ilay sakosy an’ireto andian-jiolahy ilay rangahy. Raha vao nahazo izany koa ireto jiolahy dia lasa nirifatra nihazo ny lalana fiangonana Ste Thérèse ary tsy hita intsony izay nandehanan’izy ireo taorian’izay. Vao lasa anefa ireto jiolahy dia nanatona ilay rangahy ireo olona manodidina teo nanontany azy sao nisy ratra vokatry ny basy nipoaka, nilaza ilay rangahy fa tsy maninona ny tenany sady tsy nisy koa vola lasan’ireo jiolahy nandritra izany, satria tsy vola velively no tao anatin’ilay sakosy nentiny nanarahan’ireto jiolahy azy. Raha nojeren’ny olona ny vodim-bala tavela nandritra ny fanapoahana basy in-02 tifi-danitra nataon’ireto jiolahy dia mitondra ny laharana “947/96” avokoa izy ireo. Mitaky fanadihadiana lalina momba ity ambina bala ity ny vahoaka, satria mahafantatra tsara ny tompon’io bala nampiasain’ireo jiolahy io ny mpitandro ny filaminana. Manomboka mametraka ny lalany indray izany ireo andian-jiolahy mpitondra basy sy mpitaingina moto eto Toamasina izao raha nangina izany tao ho ao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici