- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA : Fikambanan’ny « Tuc-Tuc » Toamasina Ajanony ny fisavana hetra fa...

ATSINANANA : Fikambanan’ny « Tuc-Tuc » Toamasina Ajanony ny fisavana hetra fa sahirana izahay…

Mitaraina ireo mpamily “Tuc-Tuc” eto Toamasina ankehitriny fa tena henjana be loatra ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny polisy kaominaly azy ireo, amin’ny resaka fandoavan-ketra sy ny patanty. Nisy vokatra izany ny fiantsoana mpanao gazety ny sabotsy atoandro teo nataon’izy ireo teny Ampasimazava amoron-dranomasina, nanazavan’ireto mpamily “Tuc-Tuc” ireto ny antony. Voalohany nambaran’izy ireo, fa mba hajanony ny fisavana hetra amin’izy ireo isan’andro fa sahirana izy ireo matoa mbola tsy mahaloa ilay hetra sy ny patanty takiana aminy. Faharoa matoa tsy mahaloa ny hetra sy ny patanty izy ireo dia noho ny fidiram-bolany tsy tsara ankehitriny; nambaran’izy ireo hatrany fa zara raha maha-tafiditra ny hofan’ny Tuc-Tuc entiny izy ireo isan’andro noho ny tsy fisian’ny mpanjifa. Ankilan’izany dia maromaro ireo Tuc-Tuc voatazon’ny polisy na eo anivon’ny polisy kaominaly vokatr`io tsy fisian’ny hetra sy ny patanty io ny faran’ny herinandro teo, ka takian’ireto mpamily Tuc-Tuc ireto koa ny famahana ireny olana ireny mba ahafahan’ireo namany miasa mitady vola amin’izao fahasahiranana mafy mianjady amin’ny Malagasy izao. Ankoatra izany dia nisy tamin’ireto mpamily Tuc-Tuc mpikambana amin’ny fikambanana misy azy ireto no efa nanangasanga fitokonana sy filaharam-be mihintsy , raha mbola mitohy izao antsonjay atao amin’izy ireo tato ho ato izao. Re koa izao fa manomboka mampiaka-peo koa ireo mpivarotra amin’ny “Bar na trano fisotroana” eto Toamasina; ny antony dia ny fanakatonana azy ireo amin’ny 09 ora alina sy arahana fandrahonana isan’andro. Nomarihan’izy ireo fa isan`ny voa mafy tamin’ny fihibohana ny taona lasa izy ireo, ka ankehitriny mba afaka mitady kely indray dia izao efa sakanana izao indray, nefa ny mpanjifa aza efa mihena andro aman’alina ankehitriny. Ho hita eo ny tohin’izany rehetra izany…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici