Nitatra ankehitriny ilay raharaha niakarana “mpanera” roa lahy izay efa mifonja dimy taona ao Ambalatavoahangy, noho ny fisolokiany mpisolovava tamin’ny fakana vola taman’olona, 12,4 tapitrisa ariary, ho fanavotana ny havan’izy ireo mifonja vonjimaika. Ny tsy faneken’ireo mpisolovava eto Toamasina ny zava-misy no nampipoitra izao raharaha maizina izao. Nandritra ny raharaha, na teo anivon’ny polisy nisahana ny fakana am-bavany, na teo anivon’ny fitsarana nisahana ny famoahana ny didim-pitsarana, dia anarana mpitsara roa hatrany no voatonon’izy roa lahy na tsy natao mivantana aza izany. Fantatra izao fa mpitsara miasa eo anivon’ny fampanoavana ny iray, eo anivon’ny mpitsara mpamoaka didy sy mpanao fanadihadiana kosa ny faharoa. Taorian’ny fivoahan’ny vaovao mikasika ity fisolokiana narahana kolikoly avo lenta teo anivon’ny fitsarana ity, dia tonga eto Toamasina izao ireo mpitsara misahana ny fampanarahan-dalàna sy ny fampanajana ny etika eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, manao fanadihadiana ireto mpitsara roa voatonona ireto. Araka ny angom-baovao ihany dia tsy nijanona teo anivon’ireto mpitsara roa ireto ihany ny fanadihadiana ataon’ireto mpitsara avy amin’ny minisitera ireto, fa tonga hatrany am-ponja mihitsy maka am-bavany azy roa lahy mifonja dimy taona noho ilay fisolokiana nataon’izy ireo. Hatreto aloha dia tsy misy ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitsara naman’izy roa ireto naneho hevitra. Tsy mbola nilaza ny fahitany ny raharaha koa ny solon-tenan’ny syndikan’ny mpitsara Toamasina. Ankoatra izay anefa, araka ny angom-baovao natao ihany, dia mitatra ny raharaha izao, satria misy ihany koa anarana mpitsara hafa voatonona amin’izao raharaha fakana vola amin’ireto “mpanera” roa lahy ireto izao. Eo ihany koa ny mpandraharaha ny fonja maka vola amin’izy ireo. Andrasana indray izany ny fakana am-bavany ataon’ireo mpitsaran’ny minisitera mikasika izany…
Malala Didier