- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAtsinanana - Haiady « kick Boxing » : Natao teto Toamasina ny tompondakan’i Madagasikara...

AtsinananaHaiady « kick Boxing » : Natao teto Toamasina ny tompondakan’i Madagasikara 2023…

Hita fa efa miakatra ny havo lentan’ny haiady kick Boxing raha ho an’ny faritra atsinanana no asiana resaka. Teny amin’ny kianja mitafo ny Crjs no nanaovana ny ady ka nandraisan’ny mpikatroka an’ity haiady miisa 20 ny mpandray anjara. Misy ny ny sokajy C niisa 09, ny sokajy B niisa 04, niisa 07 kosa ny sokajy A. sady fifaninana tompondakan’i Magadisaka ny ady natao no hifantenana koa ireo hiatrika ny lalao ny nosy eto  amintsika, ka samy nampiseho ny fahaizany avy ireo mpikatrika nandray anjara tamin’izany, izay nahita “KO” in-telo izany. Ny voalohan’ny “KO” tamin’izany dia ady nifanaovan’ny Jonathan (CKBT) sy i Jiliano (BIG FOOT) tamin’ny lanja 48kgs; ny teo amin’ny latsaky ny 51kgs Emilien (SPG) sy Jamy (CRJS); ary teo amin’ny Jaotombo (Prestge de l’EST) izay tompon-dakan’ny faritra Atsinanana in-03 sy i Tselany (Mahanoro) izay tompondakan’i Madagasikara ny taona 2022 ao amin’ny sokajy A amin’ny vesatra 63kgs. Teto dia 30segodra ny ady dia efa nitolefika ilay tompondakan’i Madagasikara noho ny totohondry sy ny daka nitefoka teny aminy ka “KO” avy hatrany. Nohamafisin’ny filohan’ny ligy atsinanana Mananjara James Antonio nisokatra ny taom-pikatrohana ny alahady teo, ka ifantenana ireo atleta hisolontena ny ligy atsinanana hiatrika ny fampihofanana izay hifantenana ireo hiatrika ny lalao ny nosy no natao, ka mila ezaka amin’ny tsirairay izany rehetra izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici