- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA - Halatra tao Ampasimazava : Mitohy ny fahazoam-baovao

ATSINANANA – Halatra tao Ampasimazava : Mitohy ny fahazoam-baovao

Orinasa hana teratany karana iray antsoina hoe « Stim.Co » ao Ampasimazava boriborintany Anjoma ; orinasa mpisahana vy – fanaka avo lenta isan-karazany – fahitalavitra izy ity ary andian-jiolahy manodidina ny 18 taona hatramin’ny 54 taona no tonga nanafika ity tranombarotra ity, izay monina ao Androranga – Ambalambe – Tanambao Verrerie – ary Ambalakisoa avokoa ireto andian-jiolahy.

Niarahana nahalala fa telo ny maty voatifitra FIP sy olona fito azo sambom-belona ary efa mandalo fakana am-bavany eo anivon’ny polisy mpisahana izany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny komandan’ny FIP Toamasina Rafaliaro Jules, dia efa herinandro no nanarahana ireto andian-jiolahy ireto satria tao anatin’ny herintaona dia efa fanindroany nisy namaky ny orinasa ary very nandritra izany ny « coffre fort » izay efa tsy fantatra ny sandany vola tao anatiny tamin’izay fa vola be. Nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny mpiasa mpiambina ny orinasa, ka nanao fanamiana sivily ireo polisy ny FIP nanao fanaraha-maso nandritra ny herinandro. Telo avy hatrany ny maty voatifitra nandritra ny fidiran’ny polisy ny FIP, ka isan’izany i Talata Jean 54 taona avy ao Tanambao Verrerie – i Monja Kamisao 43 taona avy ao Ambalambe – ary i Masiaka Maurice na i Mika 30 taona avy ao Tanambao Verrerie ; efa nalainy fianakaviany avokoa izy telo lahy maty ireo ny sabotsy teo.

Ankoatra izany amin’ity herinandro ity dia hiakatra fampanoavana ny fitsarana ireto andian-jiolahy voasambotra ; tokony hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ireo fatim-by misy mividy ao Ambalambe, fa lasa fampiririman’olona zavatra halatra ity fokontany ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici