Nitsangana ny sabotsy tao tao Tanamakoa Toamasina ny fikambanana « FIRAISANKINA », Joel Patrick Gerard ny mpandrindra nasionaly an’izany fikambanana izany. Natao ity fikambanana mba hitaizana ny tanora marobe ankehitriny eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina, ka hita amin’izany ny fianarana solosaina maimaim-poana amin’ny sarany faran’ny zakan’ny olona amin’izao, eo ihany koa lafinjan-javatra rehetra mahaliana ny tanora hofanina amin’izao vanim-potoana izao saingy mbola miandry kely ny fitaovana ho ampiasaina izany rehetra izany. Efa misy ny fikambanana « FIRAISANKINA » ny ao Antananarivo ary hapetraka tsy ho ela taorian’i Toamasina ny ao Alaotra-Mangoro sy ny faritra Analanjirofo. Nitokana ny ivon-toeran’ny fikambanana ny ben’ny tananan’i Toamasina renivohitra sy ny filoha lefitry mpanolontsain’ny kaominina, izay nilazan’ny ben’ny tanana fa ilaina ny firaisakina amin’ny tananantsika ity raha tia ny hampandroso azy, satria efa betsaka ny famantsiam-bola azo avy any ivelany entina hanarenana azy ity fa miandy ny famoahana ahy sisa izany. Isan’izany hoy ny ben’ny tanana ny fanamboaram-dalana ka ao anatin’izany fanamboarana ny « autoroute » Antananarivo-Toamasina ao anatin’ilay fandaharan’asan’ny JICA, sy ny fanatsarana ny « canal des Pangalanes » amin’ireo fako ao anatiny hono izy ity ataon’olona fanariam-paka izay mahatratra « 20aine de millions d’euros » avy amin’ny AFD.
Malala Didier