Ho fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny kaominina surburbaine Toamasina, dia nandray fanapahana ny ben’ny Tanana Atoa Barisoanina Charles nanova ny lefitra faharoa ny ben’ny Tanana. Voatendry tamin’izany Andrantafika Esperan izay mpanao gazety ary mpikambana ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina (AJT). Izy izay misolo toerana an’Atoa AHKAN Razandrabe Judicael, izay midongy ny tsy hanao famindranam-pitantanana ary tsy nety nandray ny taratasy fampahafantarana azy. Natao ny faran’ny herinandro teo ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny biraon’ny kaominina Toamasina suburbaine. Araka ny fantatra koa izao fa ny talata 12 jona ny fiantsoan’ny lehiben’ny distrikan’I Toamasina II ny filan-kevitry ny kaominina Toamasina suburbaine hivory. Isan’ny laha-dinika mandritra izany fotoana izany fotoam-pivoriana izany, ny fangataham-panazavana amin’ny ben’ny Tanana momba ny fitantanana ny kaominina, ary mety ho tonga amin’ny fitsipaham-pitokisana ny ben’ny Tanana. Mandeha ny resaka amin’izao fa resa-bola ny raharaha, ka vola 04 tapitrisa ariary any ho any omena ireo mpanolon-tsaina, ka raha miisa 07 izy ireo dia ny 05 tamin’izany no voalaza fa efa nanaiky izany. Voalaza fa ny lefitra faharoa teo aloha nosoloina sy ny lehiben’ny distrikan’I Toamasina II, no tena ati-doha amin’ity fanesorana ny ben’ny Tanana ity araka ny vaovao, nefa dia samy mpanohana ny filoham-pirenena izy ireo. Andrasana izany izay ho tohin’ny raharaha hitranga rehetra…
Malala Didier