- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAvaradoha : Zaza dimy taona maty voahitsaky ny kamiao

Avaradoha : Zaza dimy taona maty voahitsaky ny kamiao

Loza mahatsiravina no nitranga tetsy Avaradoha, ny tolakandron’ny sabotsy teo. Zazakely iray no potipotika, rehefa voahitsaky ny fiarabe iray.

Nandriaka indray ny rà tamin’iny làlam-pirenena faharoa iny, tsy lavitra fa tetsy Avaradoha, miala kely ny sampanana ho any Betongolo iny. Tokony ho tamin’ny telo ora latsaka kely teo no niseho ny loza, hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny polisim-pirenena. Voalaza, fa raha iny handeha hiampita iny ity ankizilahikely vao dimy taona monja, niaraka tamina vehivavy iray no nipoitra tampoka avy any ny fiarabe iray feno entana, simenitra aman-taoniny maro. Kamiao avy any amin’ny Météo hihazo an’i Besarety izy ity, raha ny loharanom-baovao hatrany. Mazava ho azy fidinana ihany koa iny làlana ka na dia heverina fa voamarik’ilay mpamily aza ny fisian’ity zaza niampita ity dia tsy maintsy ho sarotra ho azy ny hanajanona haingana izany fiarabe izany. Tsy izay anefa no nitranga, fa sady tsy nahamarika na ireo handeha hiampita na ilay mpamily tsy nahatazana akory ilay zaza. Vokany, tsy azo nialana ny loza. Ary dia tena mampihoron-koditra tokoa ho an’ireo olona nanatri-maso ny zava-nisy. Tsy vitan’ny voadona fotsiny mantsy ity zaza ity, fa mbola notetezin’ireo kodiaran’ity fiarabe ity ny tenaben’ilay zaza. Potika sy rotika tanteraka, hoy ny fitantaran’ireo nahita. Noho ny vesany, dia niala metatra vitsy ny toerana nitrangan’ny loza vao tafajanona tanteraka ilay fiara nahavanon-doza. Tsy tazana tao intsony moa ny mpamily izany, hoy hatrany ireo nanatri-maso. Ny fanampim-panazavana azo avy tamin’ny polisy hatrany no nahafantarana fa noho ny tahotra dia nandeha nanatona mpitandro filaminana avy hatrany ity farany ary notazonina avy hatrany teo am-pelan-tànan’izy ireo. Marihana, fa naratra ihany koa ilay ramatoa niaraka tamin’ilay zaza. Nentina avy hatrany nihazo toeram-pitsaboana moa ity farany ary nalefa nody, hoy ny vaovao rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ny vatana mangatsiakan’ilay zaza kosa, dia nentina nihazo ny tranom-patin’ny Hjra etsy Ampefiloha. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy niezaka nandrindra ny fifamoivoizana moa ireo polisy misahana izany. Niteraka fitohanam-be teny an-toerana mantsy ity loza ity

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici