- Publicité -
mercredi, septembre 2, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAvarajozoro Ambodifasina : Nanao hetsika fanoherana ny tany lasan’olona ny mponina

Avarajozoro Ambodifasina : Nanao hetsika fanoherana ny tany lasan’olona ny mponina

Ireo mponina nanao hetsika.

Olana mbola saro-bahana eny amin’ny fiaraha-monina ny ady tany. Eny Ambodifasina eny indray ao amin’ny fokontany Avarajozoro, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, tany nonenan’olona efa ho 40 taona no misy olona milaza azy ho tompony amin’izao fotoana izao ary manana taratasy ara-dalana mihitsy. Nanao hetsika fanoherana izany ireo mponina eny an-toerana ary nilanja sora-baventy ny hamerenana ny tanin’izy ireo. Nisy tamin’ireo olona ireo no nijoro vavolombelona fa niharan’ny fikasihan-tanana tamin’ny fanalana azy tamin’ny taniny. Teo koa ireo zokiolona niharan’ny tsindry tamin’izany. Ny volana jona lasa teo no nipoitra avy any ireo olona milaza fa tompon’ny tany ary niaraka tamin’ny taratasim-pitsarana sy vadintany nanala ireo olona teo amin’ny tany voakasika, izay ahitana fianakaviana maro, trano sy fotodrafitrasa. Araka ny fanazavan’ny sefo fokontany Avarajozoro, Randria Hajatamby Jacques Noël, tsy nampandre ny momba io fanalana olona io teny an-toerana ireo olona tonga fa ny savorovoro no nampihetsika ny fokontany sy ny zandary. Nampiseho taratasy tamin’ny sefom-pokontany moa ireo avy eo ka nandamina ny vahoaka sisa natao. Nilaza moa ny sefom-pokontany fa tsy nanaja ny rafi-panjakana nampahafantatra ny momba io ireo olona ireo ka niteraka savorovoro. Nanamafy moa izy fa efa 40 taona teo no nisian’ireo olona teo amin’ny tany. An’ny vazaha izy io ka tamin’ny taona 1985 no novidian’ny minisitra tamin’izany, ka io minisitra io sy ny taranany ary olona napetrany teo no nonina sy nikarakara ny tany. Milaza ireto farany fa tsy mahalala velively ireto mitonona ho tompony amin’izao fotoana. Niakatra fitsarana ny raharaha, nanohitra io didy nentin’ireo olona ny volana jona lasa teo.  Araka izany, miandry ny valin’io fampiakarana ny raharaha io ireo tompontany an-taonany. Andaniny anefa, efa nametraka tamboho ary efa manorina ao amin’ny tany voakasika ireo olona amin’izao fotoana. «Miantso ny Filohan’ny Fanavaozana izahay mba hijery akaiky ity olana ity, satria misy maka tsotra izao ny taninay », hoy ny antsoantson’ireo mponina.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici