- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversBANI : Nisy zazavavy maty tao amin’ny « piscine »

BANI : Nisy zazavavy maty tao amin’ny « piscine »

Efa adiny roa taorian’ny firavana vao nisy nahita ity zazavavy izay natsingevan’ny rano. Noezahin’ireo mpilomano nampiakarina faran’izay haingana navoaka tao anatin’ilay dobo filomanosana izy ary navotana ny ainy. Saingy tsy tàna intsony izany. Ny asabotsy teo no nitrangan’izany tao amin’ny « piscine » an’ny toby BANI-Ivato. Raha araka ny fitantaran’ny fianakaviany dia sambany no mba niditra tao amin’io dobo filomanosana io i Léa, ilay zazavavy 13 taona niharan-doza. « Tonga ohatra ny besinimaro izy tamin’ny roa ora tolakandro. Nisy namany ihany niaraka taminy saingy tsy nahatsikaritra ny filentehany ireo. Nihevitra ireo fa efa nivoaka ny dobo filomanosana ary nody izy rehefa tsy hita elaela” raha araka ny fanazavana avy amin’ny fianakaviana. Rehefa tapitra ny filomanosana ary efa nitsoka kiririoka ny tompon’andraikitra ny amin’ny tokony hivoahan’ny mpilomano amin’izay, dia teo no hita nitsingevana i Léa. Olona sendra nakanaka sary teo amin’ny piscine no nahita tampoka ilay vatana mangatsiaka nipoitra tsimoramora tao. Natao izay rehetra tokony natao tamin’ny fanavotana ny ainy saingy tsy avotra intsony. Raha ny tombana mantsy dia efa adiny roa tany ho any izany izy no tsy hita intsony. Izany hoe adiny roa tany ho any ihany koa no nilentehany tao ambanin’ny olona tao ary tsy nisy nahita izany rahateo na ireo mpanara-maso ny toerana aza.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici