- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBasy kilalao : Voasambotra ireo mpanafika

Basy kilalao : Voasambotra ireo mpanafika

Omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany antoandro no tra-tehaky ny pôlisy tetsy Anosipatrana ny lehilahy roa, izay voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana mitam-basy … kilalao teny amin’iny faritra Anosizato iny. Ny herinandro lasa teo no nitrangan’ny fanafihana mitam-basy tamin’ny tokantrano iray tamin’ny faritra Anosizato iny. Naratra mafy nodarohan’ireo olon-dratsy ny tompon-trano tamin’izay fotoana izay ary lasan’izy ireo ny entana maro tao an-trano. Tamin’io fotoana io, na dia tonga haingana taorian’ny antso vonjy nataon’ny olona nahitana izany aza anefa ireo pôlisy dia efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy. Tovolahy iray no tra-tehaka tsy lavitra ny toerana, izay voalaza fa isan’ireo mpanafika. Tovolahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe « rasta ». Nahatratrarana basy teny aminy, saingy rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa basy kilalao ity nentiny nanafika io tokantrano io. Tamin’io fotoana io ihany moa ny tenany no natao famotorana ary nilaza fa nisy anakiroa ny namany niaraka nanao ny asa ratsy tamin’io andro io, ary vonona ny hanoro ny misy azy ireo sy ny namany. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ireo pôlisy ary izao niafara tamin’ny fanamborana azy ireo teny Anosipatrana ireo, rehefa tsikaritra teny ireto farany. « Niaiky izy roa lahy ireto fa izy ireo no nanao io fanafihana io tamin’ny fakana am-bavany azy» Marihina fa efa nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora « Rasta » ary heverina fa hanaraka azy tsy ela eny an-toerana ihany koa ireto namany roa lahy ireto. Ilay tompon-trano naratra tamin’ny andron’ny fanafihana io dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ihany tamin’io andro io.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici