- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversBazary be Toamasina : Vaky lava ireo fivarotana ao anatiny

Bazary be Toamasina : Vaky lava ireo fivarotana ao anatiny

Raha noheverina fa hilamina ireo mpivarotra ara-dalana ao anatin’ny bazary be Toamasina hatramin’ny nanamboarana azy hanaraka ny fenitra moderina, dia tsy izany no zava-misy fa lasa mitaitain-dava ireo mpivarotra manana fivarotana mihidy ao anatiny noho ny firongatry ny halatra sy famakiana ireo fivarotana tao ho ato izay. Tranga maromaro no efa niseho ary fivarotana dimy rahateo no efa voan’izany. Farany teo izao dia fivarotana lamba voazaitra miisa telo no nisy namaky indray alina tao Bazary be, nefa vao nahatonga lamba hamidy avy any ivelany ny tompony. Very avokoa ireo lamba rehetra, nefa ny bazary be tsy vaky ny vavahady fa teny an-tafontrano ireo andiana mpangalatra no niditra sy namaky ilay fivarotana. Efa eo am-pelantanan’ny polisy eto Toamasina ny raharaha ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Talohan’ity tranga niseho ny herinandro nivalona teo ity, dia efa tratran’izany koa ity mpivarotra firavaka volafotsy sy entana ho an’ireo mpizahatany ary fahatsiarovana sy haingon-trano. Nampiantso mpanao gazety mihitsy mantsy ny tompony, satria raha nanao fanadihadiana izy ireo dia tratra tamin’ny olona roa, Fidison sy Pilasy, ny entana. Niditra an-tsehatra nanampy ireo olona ireo ny iray fiaviana taminy ary nilaza fa handany vola be haka mpisolovava sy mpitsara momba izao raharaha izao. Raha nivoaka tokoa ny didy ny 11 volana aprily teo, satria ny 04 aprily no natao ny fitsarana ny raharaha, dia afaka noho ny fisalasalana ireo roa lahy nahatrarana ny entana very nandritra izany. Noho izao firongatry ny famakiana fivarotana eo anivon’ny Bazary be Toamasina izao, dia milaza ny hanampy ireo mpiambina 05 efa misy ankehitriny ny mpivarotra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici