“Tsy hainay mihintsy no niandohan’ny afo, fa ilay afo efa niredareda be vao taitra izahay eo ampangoronana entana, ka nibata izay zaka aloha sao levon’ny afo”, izay no saika teo am-bavan’ireo mpivarotra nanontaniana mikasika ity fahamaizana goavana tao bazary kely “Esplanade” ny sabotsy alina teto Toamasina ity. Saika ny 95% ny tsena may avokoa, ny 05% tsy may kosa voatery narodana mba tsy nitaran’ny afo nandritra izany.
Tsy naharaka namono ny afo ny mpamonjy voinan’ny kaominina ka voatery niantso vonjy tamin’ny mpamonjy voinan’ny orinasa Seranan-tsambon’i Toamasina sy orinasa Ambatovy ny prefektiora sy ny kaominina ary ny depiote Ratsiraka Roland. Efa ny maraim-be ny alahady vao tena voafehy sy maty tanteraka ny afo. Hafahafa ny fahamaizana raha ny fijerin’ireo mpamonjy hain-trano sy mpamonjy voina nanontaniana, satria tena niredareda loatra, tahaka ireny misy manosika sy nodorana ireny ny fahitana azy, nefa anjaran’ny mpitandro ny filaminana no manao ny fanadiadiana mikaika izany. Izay voarambin’ny Tanana ihany koa navotan’ireo mpivarotra nandritra izany. nanao ny asany tamin’ny fiarovana ny fananan’ireo mpivarotra nanavotra ny entany koa ny polisim-pirenena izay tsy lavitra teo amin’ilay fahamaizana no misy azy ireo.
Raha ho an’ity mpivarotra roa nanaiky niresaka tamin’ny mpanao gazety ity dia entana mitentina 20 tapitrisa ariary vao novidiana no may kila nandritra ity fahamaizana goavana ity, izay resaka lamba firakotra mafana sy bodofotsy ary akanjo mafana avokoa no may nandritra izany. An’ity mpivarotra finday kosa dia entana an-jatony tapitrisa ariary no levon’ny afo nandritra izany.
Ankoatra izany izany raha atao ny tombana dia entam-barotra amina miliara ariary no may nandritra izao firehetana tao Bazary kely izao. Saika ireo mpivaro-damba sy mpivarotra kojakoja amin’ny fiainana an-davanandro avokoa ireto may fananana ireto.
Malala Didier