- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversBazary Kely Toamasina : May hatrany rehefa manakaiky ny fifidianana ben’ny tanàna

Bazary Kely Toamasina : May hatrany rehefa manakaiky ny fifidianana ben’ny tanàna

Tonga nijery ifotony teny an-toerana ny Praiminisitra.

Teto Toamasina ny praiminisitra Ntsay Christian ny alatsinainy maraina nijery ifotony ny zava-nisy marina teo amin’ity tsenan’i bazary kely nirehitra ny sabotsy alina teo. Raha ny zavatra hitany sy ny vaovao reny dia doro tsena mety niniana natao no nahatonga izany, ka nanaovany baiko hentitra tamin’ireo mpitandro ny filaminana hanao ny fanadihadiana lalina momba izany. Nisy ihany koa ny fitondrany fanampiana ireo mpivarotra may tsena, ka nanoloran’ny praiminisitra fanitso 2.500 isa sy hazontrano fanao rindrina miisa 1.700 teo ho an’ireo mpivarotra may fananana, ary nitondrany koa fankaherezana ireo olona telo naratra sy may tamin’ny fanavotana ny entany sy ny fananany nandritra ny firehetana. Nisy avy hatrany ny fihaonana nataony tamin’ireo mpikamban’ny OMC sy ny EMMO teto Toamasina tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana, nandinihana ny zava-misy. Ny zava-misy mantsy dia efa in-3 may tao anatin’ny 15 taona izay ny ao Bazary kely ambany, ka isaky ny fotoana hilazana fa hisy ny fifidianana ben’ny tanana hatrany no itrangan’izay tao anatin’izay 15 taona izany, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra. Ny tena nahagaga ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa tamin’izao fahamaizana izao dia tsy nisy na olona iray aza nanome fanazavana azy ny anton’ilay firehetana. Ireo tompon’andraiki-panjakana teto Toamasina ihany koa nitsambadidaka avokoa tamin’ny fanazavana nomeny ny praiminisitra, hany ka samy nilaza ny fantany sy reny avokoa. Hatramin’ny tarehimariky ny tra-boina sy ny may tsena fivarotana avy no nifamahofaho ny nolazaina tamin’ny praiminisitra nandritra ny fanazavan’izy ireo ny zava-nisy. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha fa baiko hentitra sy nazava no nataon’ny praiminisitra ho azy ireo momba ny tsena may ao Bazary kely sy ny filaminam-bahoaka eto Toamasina amin’ny ankapobeny.

Malala Didier

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici