- Publicité -
dimanche, septembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBazary kely Toamasina : Nahita fahamaizana ireo trano fivarotana

Bazary kely Toamasina : Nahita fahamaizana ireo trano fivarotana

Tranga tsy nisy nanampo ny firehetana tamin’ireo trano fivarotana tao Bazary kely Toamasina ny alahady ny paska teo. Maro ireo resa-be niely nandritra ny fanavotana ity tsena isany goavana eto Toamasina ity, satria tao ireo olona mipetraka manodidina no nilaza fa naheno fofona lasantsy talohan’ny firehetana. Raha ny fanazavana dia tamin’ny misasakalina tany ho any no nitragan’izany ny alahady nifoha ny alatsinainin’ny paska. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina sy hain-tranon’ny kaominina nisahana ny firehetana, ary tsy nitsahatra izy ireo raha tsy efa maty tanteraka ny afo ora maro taorian’ny firehetana. Nanampy ireo mpamonjy voina ihany koa ny vahoaka manodidina sy tompon’ny trano fivarotana naheno ny fahamaizana nandritra izany. Raha ny fanisana farany natao ny alatsinainy dia trano fivarotana 72 teo no may kila forehitra, na izany aza dia tsy mbola voakajy ny sandan’ny zavatra sy fananana may rehetra, noho ireo mpivarotra mampirina sy manidy ny entany ao anaty fivarotany. Efa mandeha ny fanadiadiana ara-keloka mikasika ity fahamaizana tao bazary kely ity ankehitriny, satria tsy mino ireo tompon’andraikitra fa hoe fahamaizana noho herinaratra ity nitranga ity, fa tsy maintsy nisy nandoro izany noho ny trangan’ny afo tonga dia ambovonana sy ireo tenin’ny mponina manodidina nanome fanazavana. Ho hita eo ny tohiny, satria raha vao naheno ny loza koa ny ben’ny Tanàna sy ny mpiara-miasa aminy dia tonga nijery ny fahavoazana, ary tsy niala teny raha tsy efa maty tanteraka ny afo. Baiko koa no nomen’ny ben’ny Tanàna amin’ny fanarenana ireo tsena may aorian’ny fanadiadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana, satria tsy avela ho simba sy may tahaka izao ity tsena goavana eto Toamasina ity. Ankoatra izay dia efa may tahaka izao koa ity tsena ity teo aloha, ka ireo tsena fanampiny teny amin’ny tany malalaka no may tamin’izay, izay an-tapitrisany maro ny zavatra kila forehitra tamin’izay.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici