- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBefandriana Avaratra : Miparitaka any an-toerana ny vola sandoka

Befandriana Avaratra : Miparitaka any an-toerana ny vola sandoka

Mpivady iray no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Befandriana Avaratra ny faran’ny volana teo, noho ny resaka fanontana vola sandoka. Mbola nahatrarana vola sandoka maromaro moa tany amin’izy ireo.

Tato ho ato tokoa, raha ny angom-baovao azo, dia voalaza fa miparitaka any amin’iny distrikan’i Befandriana Avaratra ny vola sandoka. Efa maromaro ihany ireo olona tonga nitaraina teny anivon’ny pôlisy ary anisan’izany ny lasibatra iray tao amin’ny kaominina Ambodimotso.  « Tsy nijery fotsiny io zava-misy io ny polisim-pirenena any an-toerana fa nanamafy ny fisafoana ireo fitaovam-pitaterana mifamezivezy indrindra ireo fiara tafiditra ao anatin’izany » araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.  Tamin’ireny fisafoana ireo no nahatraran’izy ireo ny olona miisa roa, nanoloana ny biraon’ny firaisana, tao anaty fiara tsy mataho-dalana iray. « Raha nanao ny fisavana isakin’alina ny polisy no nahita azy ireo kaodikaody tao anaty fiara ka vantany vao nahita io fihetsika io ny mpitandron’ny filaminana dia nisava azy ireo avy hatrany ka teo no nahitana vola sandoka miisa 06 : ny 05 tamin’ireo 10.000 Ariary ary ny 01 kosa 20.000 Ariary ». Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria ho amin’ny fanadihadiana azy ireo. « Marihana moa fa vaditsindranon’ity lehilahy ity io miaraka manao asa ratsy miaraka aminy io » hoy hatrany ny vaovao. Fantatra tamin’ny famotorana moa fa ireto mpivady ireto no anisan’ny namely ilay olona lasibatra tany amin’ny kaominina Ambodimotso. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika izany any an-toerana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici