- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversBefandriana Nord : Fokontany Androtro, mety hiharan’ny valifatin’ireo dahalo

Befandriana Nord : Fokontany Androtro, mety hiharan’ny valifatin’ireo dahalo

Nitrangana asan- dahalo ny fokontany Androtro, kaominina Morafena, distrika Befandrina Nord ka dahalo efa-dahy no namoy ny ainy tamin’izany. Taorinan’ity vono ity dia mandrahona hanatanteraka valifaty ho an’ny Fokonolona ny dahalo. Nandray fepetra noho io feo miely io ny Zandarimariam-pirenena ka zandary 4 no efa nidina any toerana nizaha ny toe-draharaha sy nijery ifotony ny tena zava-misy mba hisorohana ny loza mety hitranga. Ho fanampiana tosika ireo zandary dia efa miomana ihany koa ny manampahefana samihafa hanatevin-daharanana azy ireo amin’ny fampandrian-tany. An-dalana hidina any amin’ny fokontany voakasika araka izany ny kaomandan’ny kaompania Mandritsara, arahin’ny kaomandin’ny borigady ary ny lehiben’ny distrikan’i Befandriana Nord.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici