- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBefotaka : Vonona ireo mpitandro filaminana, handrava ireo toerana fieren’ny dahalo

Befotaka : Vonona ireo mpitandro filaminana, handrava ireo toerana fieren’ny dahalo

Andro maromaro aty aoriana, dia mbola tsy nahitana mangirana aloha hatreto ny mikasika ilay fanafihana ny tobin’ny zandary tany Befotaka. Mbola tsy misy voasambotra ireo dahalo, tsy mbola tafaverina ihany koa ireo basy, raha ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary. Na izany na tsy izany anefa, efa vonona tanteraka ireto mpitandro filaminana ny amin’ny valim-panafihana atao amin’ireo dahalo. Ato ho ato dia fantatra ary fa hisy ny hetsika iray hataon’ireo mpitandro filaminana handravana ireo toerana fieren’ny dahalo any amin’iny faritra iny. Efa tonga any an-toerana rahateo ireo mpitandro filaminana  avy aty Andrenivohitra nalefa ho any. Handrasana araka izany izay ho fivoaran’ny toe-draharaha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici