Zandary iray, kilasy faharoa miasa ao amin’ny « poste avancé » ao Befotaka, tobim-paritra Itondy no tratran’ ny aretina mahery vaika, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana azo, dia mipetra-drery ity zandary ity ary efa reraka tanteraka no hitan’ireo namany. Nandray andraikitra avy hatrany izy ireo niaraka tamin’ireo fokonolona tao an-toerana nitondra azy nihazo toeram-pitsboana ao Ankavandra, izay lalana tokony ho adiny dimy teo ho eo, dia an-tongotra. Saingy voalaza anefa fa tsy vitan’ireo mpitsabo teo an-toerana ny manasitrana ilay aretina ary tsy maintsy hampakarina aty an-dRenivohitra. Nandefasana angidimby haka sy hamonjy azy tany an-toerana moa ireo tompon’andraikitra ambony. Tonga soa aman-tsara ny sabotsy teo, teto an-dRenivohitra ity zandary narary mafy ity, ary navantana avy hatrany tetsy amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Noho ny fielezan’ny tobin’ny Zandarimariam-pirenena any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana manerana ny Nosy, dia maro ireo Zandary no misedra olana vokatry ny fitokana-monina sy ny tsy fisian’ny lalana. Kanefa manome lanja lehibe ny fitsinjovana ireo olony ny Zandarimaria, ka tsy manao ambanin-javatra ny fahasalaman’izy ireo sy ny fiainany ara-tsosialy, ka tsy maintsy mandray andraikitra avy hatrany raha vao misy ny tranga tahaka izao. Tonga nitsena ity mpitandro filaminana ao anatin’ny tsy fahasalamana ity moa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary, izay notarihan’ny Jeneraly Rabehajasoa Andrianarivo, Mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon’ny SEG sy ny Jeneraly Randriamanesy André, Lefitra voalohan’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Nitondra ny teny fisaorana hoan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fanomezan-tanana sy ny nandefasana angidimby nanavotana ny ain’ity Zandary ity ary nisaorana ihany koa ireo fokonolona tany an-toerana, tamin’ny fiaraha-miasa.
m.L