Tranga mampalahelo: zaza menavava iray indray no nisy nanary teo amin’ny sisin’ny lalam-pirenena , omaly maraina tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Teny amin’ny faritra Tsarafara Behenjy no nnisehoan’izany. Tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nitranga ny rehetra satria dia mbola nifono gony ilay zaza. Ny olona mipetraka manamorona ny arabe sendra mba nivoaka maraina tao an-tranony no tsy naharitra fa nanopy maso izay tao anatin’ilay gony. Noezahan’izy ireo navoaka tao izany. Indrisy, zaza tsy manan-tsiny efa nihohoka sy tsy misy fo mitempo intsony no novantanin’izy ireo. Raha ny fandinihan’ny manodidina azy dia zaza efa àry taova tsara mihitsy ity niniana nariana teo amoron’arabe ity. Tsy isalasalana, hoy hatrany izy ireo, fa olona nandalo no nahavanona an’izao loza lehibe izao. Rehefa nanao ny fizahana ny dokotera teny an-toerana dia fantatra fa mbola misy ahitra tafajanona ao an-kibon’izay mety ho renin’io zaza io. Marihina fa mbola hita nanaraka an’ity zaza ity ny tadim-poitrany. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny teo anivon’ny zandarmaria nanao ny “constat” sy ny fanadihadiana rehetra. Ny fokonolona kosa tetsy ankilany niara-nientana tamin’ny fandevenana an’ilay zaza tsy manan-tsiny teo amin’ny toerana nahitana azy ihany. Misokatra manomboka izao ny fanadihadiana ho fikarohana ireo olon-dratsy nahavita an’izao.
Niony H.