- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehenjy : Lehilahy maty voantsindrin’ny kamiao

Behenjy : Lehilahy maty voantsindrin’ny kamiao

Nitambotsitra tampoka ny « cric » nihazona an’ilay fiarabe ary voatsindry tao ilay « mecanicien ». Tapaka ny tongony, nandriaka ny rà.

Nitràngana loza mahatsiravina tao Behenjy ny voalohan’ny volana teo. Lehilahy iray 38 taona, mpanamboatra fiara no maty tsy tra-drano rehefa voapotsitry ny fiara namboariny. Araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary tany an-toerana dia tokony ho tamin’ny valo ora maraina teo no niseho ny loza, tao amin’ny faritry ny orinasa iray mpanamboatra lalana, ao Sarimasina, fokontany Kianja Nord, kaominina  Behenjy. Talohan’io dia nanamboatra fiarabe iray tao an-toerana ity « mecanicien » ity. Zavatra ao ambany fiara no namboarina ka tsy maintsy hingaina tamin’ny cric ny fiara. Mazava ho azy rehefa voahinga dia niasa tao ambany tao ilay mpanamboatra. Tsy fantatra anefa teto na vokatry ny vesatr’ilay fiara na olana teo amin’ilay cric fa tsy nahazaka ity ary nitambotsitra tampoka ny fiara. Tsy tafiala tao ambany  ilay mecanicien na dia niezàka namonjy azy aza ny namany ka dia voapotsitra tao. Novonjena malaky moa ary nezahin’izy ireo nentina toeram-pitsaboana saingy noho ny habetsaky ny rà very dia tsy tana intsony ny ainy. Koa satria nisy aina nafoy dia niditra an-tsehatra ny zandary ary nanokatra fanadihadiana.

Fa ankoatr ity tao Behenjy ity dia nitrangana loza tahak’izay ihany koa tao Ambositra ny andron’ny Talata lasa teo. cric tsy nahazaka an’ilay fiarabe ihany koa ka nanapotsitra an’ilay mecanicien tao ambany tao. Soa ihany fa nisy ireny karazana ballon de suspension irony ilay kamiao ka io no niaro an’ilay olona tao ambany tsy ho potsitry ny lanjan’ilay kamiao. Naratra fotsiny moa ity farany noho ny famonjen’ireo manodidina ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici