- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversBehenjy : Mpitondra môtô maty nohitsahin’ny kamiao

Behenjy : Mpitondra môtô maty nohitsahin’ny kamiao

Potika tanteraka ilay môtô scooter, raha nifatratra tany ambanin’ireny kamiao be ireny izy. Potika toraka izany ihany koa ny lohan’ity tovolahy nitondra azy izay maty tsy tra-drano.

Rà mandriaka indray ny teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny afak’omaly antoandro, teo Morarano Behenjy. Tovolahy iray izay vao 19 taona monja no namoy ny ainy tao anatina lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny an-toerana teny. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia nitondra scooter ity ranamana ity, niaraka tamina olona iray. Mazava ho azy, manantena loatra ny tanjaky ny kodiaran-droa nentin’izy ireo, izay nandeha mafy tokoa, nihazo iny lalam-pirenena iny no niezaka nisongona fiara iray teo alohany. Voalazan’ireo nanatri-maso hatrany fa fiolanana teny mampidi-doza ity nahavoa ireo ity ary efa betsaka ihany ny loza niseho teo. Mety ho izay antony izay no nandehan’ilay fiara teo aloha mora, ka noheverin’izy ireo fa nitaraikiraiky ka nosongonany. Kanjo loza fa fiarabe mpitaona entana no nitsena azy ireo, izay tsy nahita ny fiavian’izy ireo akory. Niezaka nijanona tampoka ihany iretsy mpitondra scooter saingy nalama ny kodiarana ary nisosa teo amin’ny arabe, tsy nijanona raha tsy tany ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Naratra mafy ilay nentina, voatetin’ny kodiarana kosa ny lohan’ilay mpitondra, nahatsiravina tanteraka ireo izay nahita. Nentina niakatra avy hatrany ary nezahina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ilay naratra. Nosokirina ary nalefa tany amin’ny tranom-paty kosa ilay tovolahy namoy ny ainy.  Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici