- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBehenjy : Taxi-brousse Sprinter nivadika, olona valo naratra

Behenjy : Taxi-brousse Sprinter nivadika, olona valo naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalam-pirenena faha-7 (RN7) ny sabotsy vao maraina be tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 minitra. Fiara taxi-brousse « Sprinter »  niainga avy tany Mahajanga ho any Antsirabe no nivadika rehefa nandalo ny tanàna atao hoe Ambohikambana, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Behenjy. Araka ny fanazavana, olana teknika no nahazo io fiara io. Tapaka ny « bras » mitondra ny familiana. Tsy voafehin’ny mpamily intsony ilay fiara ka nivoaka ny arabe tao anaty fiolahana. Vokany nivadika tany amin’ny an-kavanan-dalàna ilay fiara. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy. Olona 8 no kosa no voalaza fa naratra ka misy ireo tena voa mafy. Ireo fiara nandalo no namonjy ireo mpandeha ka nitondra ireo maratra tany amin’ny hôpitaly CSD ao  Ambatolampy. Ity lozam-pifamoivoizana ity dia manamarina ny tokony hitandreman’ireo mpamily, indrindra ireo tompona fiara sy ireo kaoperativa iasan’izy ireny ny amin’ny tokony hisian’ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra alohan’ny fiaingana. Indrindra fa itony fiara manao dia lavitra toy ity niharan-doza ny Sabotsy teo ity. Iny RN7 iny rahateo, raha tsy hilaza afa-tsy ity eo Behenjy ity, dia be fiolahana ka saika mampidi-doza matetika.

Mbola lozam-pifamoivoizana ihany, saingy nitranga tany Analavory, distrikan’i Soavinandriana. Lehilahy lehibe iray no voadonan’ny kamiao Mercedes Benz teo amin’ny sisin-dalana, tao amin’ny  tanàna antsoina hoe Imazy. Vokany, naratra mafy ilay lehilahy ka tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly. Voalaza fa fahavakisana tao amin’ny atiny no tena nahafaty azy. Araka ny vaovao avy tamin’ny zandarimariam-pirenena izay nandray an-tànana ny fanadihadiana, avy any Ifanja ho any Analavory  ity fiara be ity no nitranga ny loza.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici