- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBehoririka : Fatin-dehilahy nakarina avy tao anaty ranomaimbo

Behoririka : Fatin-dehilahy nakarina avy tao anaty ranomaimbo

Lehilahy iray sahabo eo amin’ny 35t aona eo no hita faty teo amin’ny ranomaimbon’i Behoririka, ny alahady lasa teo, tamin’ny 4 ora hariva. Nampiakatra ny razana avy hatrany ny avy amin’ny mpamonjy voina sy ny BMH. Tsy nahitana taratasy momba azy tany aminy tamin’io fotoana io. Voalazan’ny olona teny an-toerana fa lehlahy nikasa hivalan-drano no hitan’izy ireo, sady mamo, ary nilatsaka tampoka tao anatin’ny ranomaimbo izy taorian’izay. Nilentika ary tsy nipoitra intsony taorian’izay. Nantsoina ny mpamonjy voina taorian’izay ka nikaroka azy. Fotoana fohy taorian’izay no nahitana azy efa tsy nisy aina intsony. Vatana mangatsiaka sisa no nakarin’ny mpamonjy voina avy ao anaty rano ary nentina nivantana teny amin’ny BMH nanaovana fizahana. Toe-javatra izay mety hitranga amin’ny fotoana hirotsahan’ny orana, indrindra amin’ireo faritra be rano miakatra toy ny eny Besarety, Andravoahangy sns. Efa tazana amin’izao fotoana izao fa maro ny lakandrano tsentsina. Mbola tsy tara raha mandray andraikitra amin’ny fandiovana izany ny rehetra, ary tsy hanary fako amin’ireny toerana ireny ny olona. Ahiana ny tondra-drano eto an-drenivohitra, ahiana hitera-doza izany, ka hahafaty olona.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici