vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Maty ilay vehivavy voahitsakin’ny taxi-be

Behoririka : Maty ilay vehivavy voahitsakin’ny taxi-be

Iray andro taorian’ny nisian’ny lozam-pifamovoizana, namoy ny ainy ilay tovovavy izay isan’ny voahitsakin’ny taxi-be tetsy Behoririka. Natao ny fomba rehetra hitazomana ny ainy saingy tsy tàna intsony izany. Raha tsiahivina dia olona dimy no indray nofaohin’ity taxi-be izay nilaza ho tapaka hisatra. Nitera-doza avy hatrany izany satria tao anatin’ny fotoana tena be olona teo Behoririka. Nandona kodiaran-droa izay nisisika aloha ilay fiara fitaterana ary nanitsaka olona indray avy eo. Marobe ny fanontaniana mipetraka rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana toa izao : mba tomombana ve ny fitsirihina ara-teknika an’ireny fiara fitaterana ireny? Mbola mety hivezivezen’ny fiara marobe ve ny fotodrafitrasa sa terena fotsiny sisa noho ny tsy fisian’ny safidy? Ny kodiaran-droa ve mbola tokony hiray arabe amin’ny kodiarana efatra? Rehefa mbola tsy tomombana ny valin’izany rehetra izany dia mbola vatapaty mandehandeha hatrany aloha ny kodiaran-droa sy ny kodiaran’efatra izay mivezivezy eto amintsika, indrindra eto an-drenivohitra. Torak’izany koa, ireo olona mivezivezy eny amin’ny arabe dia mety iharan-doza amin’ny ora tsy ampoizina avokoa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici