- Publicité SW45 -
samedi, mai 11, 2024
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpandroba mpiantsena, roa lahy tra-tehaky ny pôlisy

Behoririka : Mpandroba mpiantsena, roa lahy tra-tehaky ny pôlisy

Roa lahy, mpanendaka sy mpangarom-paosy hikoizana teny amin’iny faritra Behoririka sy ny manodidina iny no voasambotry ny pôlisy ambodiomby, ny andron’ny alakamisy teo. Fantatra fa nataon-dry zalahy mitondra faisana mihitsy ireo mpiantsena eny amin’iny faritra iny.

“Tsy mety foana ireo mpangarom-paosy sy tontakely” hoy izay hira iray izay. Ny azo atao dia ny fametrahana paik’ady matotra, hisorohana sy hampihena izany asa ratsy izany. Ny alakamisy lasa teo, roa lahy tamin’ireo mpangarom-paosy hikoizana teny amin’iny faritra Behoririka iny no voasambotry ny pôlisy. Ankoatr’ireo pôlisy manao fanamiana, hita manao fisafoana etsy sy eroa eto an-drenivohitra moa, indrindra fa amin’ireo toerana malaza loatra amin’ity resaka tsy fandriampahalemana ity, dia misy ihany koa ireo izay tsy manao fanamiana, mifangaro anaty vahoaka any. Ireto farany indrindra no nahasambotra azy roa lahy ireto.  “Olona variana mijery zavatra ho vidiana no niharan’ny asa ratsy. Nampidiriny moramora tao amin’ny paosiny ny tanany mba hakany ny zavatra ao” ho an’ny iray. Ny iray kosa,  “olona nibaby kitapo teny amin’ny faritra Behoririka akaikin’ny tsenan’ny Pochard no nohararaotiny. Novahany ny hidin’ilay kitapo teny ambaben’olona ary nalainy ny poketra sy ny entana maro tao anatiny”. Tsikaritr’ireo pôlisy izany fihetsik’izy roa lahy izany ka noraisim-potsiny ireto farany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy, notanana natao andrimaso ho amin’ny fakàna am-bavany azy ireo, mialoha ny handefasana azy eo anoloan’ny Fampanoavana.

Hiharan’ny rehetra mahalala tokoa fa rehefa toerana misy tsena eto an-drenivohitra dia tsy maintsy tokontany filalaovan’ireo tontakely ihany. Ary na dia mailo tahaky ny inona aza, tsy maintsy misy voan-dry zalahy ireto foana. Izany indrindra no antony nanosika ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, hanamafy hatrany ny fisafoana amin’ireny toerana ireny, amin’ny alalan’ny fametrahan paik’ady isan-karazany. Mazàna tokoa mantsy dia saika efa fatampatatr’ireo tontakely ny fomba fiadin’ireo mpitandro filaminana ka hain’izy ireo hatrany ny miala izany, mba hahavoazany foana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici