- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversBehoririka : Mpanendaka tratran’ny polisy vao maraina

Behoririka : Mpanendaka tratran’ny polisy vao maraina

Voasambotry ny polisy vao maraina teny ambanin’ny tetezan’ny Behoririka ny tovolahy iray mpanendaka omaly. Araka ny fanazavana azo, nanendaka vehivavy iray nandeha tamin’iny lalana iny izy io, izao tratra izao. Niantso vonjy ilay voaendaka ka sendra ny polisy niasa vao maraina teny ka tsy lasa lavitra dia tratra. Voalaza fa ireo vehivavy andeha hiasa maraina no tena lasibatr’ireo jiolahy eny Behoririka sy Andravoahangy iny. Efa mateti-piseho mihitsy izany, ary mampitaraina ny fisintonana finday anaty fiara, fanendahana poketra sns. Maro mihitsy ny efa tratrany raha ny filazan’ny olona eny an-toerana, indrindra rehefa alarobia tsenan’Andravoahangy iny. Tratra ny iray aloha tamin’ity, izay fantatara fa mbola misy namany maro mihaodihaody eny. Tsy eny eny amin’iny faritra iny ihany  fa maro amin’ireo toerana eto an-denivohitra no isehoana fanendahana na maraina, na antoandro na alina. Mitaraina ny mponina manoloana izany, ary hita fa nirongatra izany tato ho ato. Teny analakely, ny talata lasa teo, vehivavy mpanao gazety iray noendahina telo lahy nitondra antsy nanoloana ny tranom-pokonolona Analakely, amin’ny andro amin’ny 4 ora tolakandro. Jereny olona fotsiny kanefa amin’ny fotoana mahabe mpandeha eny mihitsy. Tsy tahotra tsy henatra ireo jiolahy amin’izany, ary efa fanaon’izy ireo mihitsy ny asa fanendahana eny amin’ny tsena. Efa hain’ireo mpivarotra sy tovolahy mpiasan’ny tsena mijorojoro eny ireo, saingy jerem-potsiny. Mety mpiray tsikombakomba ihany koa ny sasany amin’ireo olona ireo.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici