Raha mbola nitàna ny sain’ny maro , ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tany amin’iny faritra Ankazobe omaly maraina iny, dia nitrangana lozam-pifamoivoizana hafa ihany koa teto An-drenivohitra. Fiara « mazda » zotra 144, izay mampitohy an’Ambohimahitsy – Analakely no namoa-doza omaly maraina, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo ho eo, tetsy Behoririka. Araka ny fantatra teny an-toerana, dia nisy olana teo amin’ny lafiny hisatra ity fiara ity ka tsy tafajanona intsony raha sendra iny lalana midina avy any Analakely hankany Behoririka iny. Vokany : olona efatra no voafaokany, ka iray tamin’izany no zaza. Fiara efatra sy môtô roa kosa no simba tanteraka vokatry ny fifandonana. Nanomboka teo amin’ny fidinana teo Behoririka akaikin’ny ranomaimbo iny no tsy nisy hisatra intsony ity fiara « mazda » ity. Nitsotsotso, nandona izay sendra azy, na fiara, na olona na môtô, ary tsy tafajanona raha tsy an-jatony metatra tany ho any, sendra fiara iray tsy mataho-dalana, nanohana ny làlany. Ankoatra ny hatairana, dia azo lazaina, hoy ireo nanatri-maso fa tsy dia nisy naninona ireo olona tao anatin’ilay taxi-be. Ireo mpandeha tongotra voafaoka kosa no tena naratra mafy, ary anisan’izany ny zazakely iray izay teny an-trotroan-dreniny. Vetivety dia nitangorona ny olona. Tao ireo namonjy avy hatrany ireo olona naratra ka nitondra azy ireo haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ny sasany kosa, nitangorona teo amin’ilay taxi-be nahavanon-doza. Efa nanomboka nandeha ny fimenomenonana isan-karazany tamin’ilay mpamily, ary efa saika nitohy hatrany amin’ny fitsaràm-bahoaka izany raha tsy teo ireo mpitandro filaminana, niezaka nandamina ireo mponina. Nentina avy hatrany natao andrimaso sy nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy etsy Tsaralalàna moa ilay mpamily, raha ny fanazavana azo. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ireo naratra ary efa tsy misy atahorana kosa ny ainy, raha ny vaovao azo teny anivon’ny hôpitaly.
m.L