- Publicité -
lundi, août 31, 2026
AccueilFaits-DiversBejofo-Betsiboka : Kapiteny sandoka nampidirina am-ponja vonji-maika

Bejofo-Betsiboka : Kapiteny sandoka nampidirina am-ponja vonji-maika

Lehilahy nisandoka kapiteny no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nanao tsindry azo lena tao amin’ny karieram-bolamena. Taorian’ny fahatrarana sy ny fanokafana fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana an’ilay lehilahy iray nisandoka kapiteny manoninana ho ao amin’ny tafika Malagasy, izay nilaza iraka avy any ambony nanao tsindry azo lena ny mpiasa volamena ao Bejofo, fokontan’Ampotaka andrefana, kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, disitrikan’i Maevatanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka dia nanao fidinana ifotony niarahana ny lehiben’ny faritra sy ireo mpikambana eo anivon’ny OMC, ny Alarobia faha 26 Aogositra taona 2026 teo. Napetraka nandritra izany ny fiaraha-momina mirindra ao amin’ny tobim-bolamena iray, ary natao tamin’ny toby hafa izany ho an’ireo olona mivezivezina miditra sy mivoaka. Tetsy an-dany dia nametrahana  » Perception à la source  » ihany koa ny tao amin’ity karieram-bolamena iray ity mba hafahan’ny faritra sy ny kaominina mahazo tamberim-bidy. Nampitandrina ireo manao ny kely tsy mba mamindro sy ny fanam-param-pahefana atao amin’ny mpitrandraka volamena ireto farany, rehefa naharay ny fitarainana mialohan’izao fidinana ifotony izao. Aok’izay ny fanononana anarana tompon’andraikim-panjakana hoentina hanaovana tsindry azo lena sy atao hahazoana volamena. Afaka mitoroka ny rehetra raha sendra mahita trangan-javatra tsy mifaranaka amin’ny lalàna eto amin’ny tany sy ny firenena, raha ny fanazavana hatrany. Nankasitran’ireo mponina mpiasa volamena ny fihetsika sy ny fanam-pahan-kevitra noraisin’ireo mambran’ny OMC Betsiboka. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa efa naiditra am-ponja vonjimaika ny andron’ny Alarobia teo ilay lehilahy nisandoka kapiteny manao fanamina miaramila mitondra galona Lietina, taorian’ny fanolorana azy teny amin’ny fampanoavana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici