- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Ankizy roa lahy namono vorona manan-jina, niara-maty

Bekily : Ankizy roa lahy namono vorona manan-jina, niara-maty

Tranga tsy dia fahita firy nahalasa saina ny rehetra no niseho tany Ambahita, distrikan’ i Bekily, faritra Androy, afak’omaly. Ankizy lahy roa 8 sy 11 taona no indray niara-maty tamin’io fotoana io. Voalazan’ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, fa nitoraka namono vorona manan-jina antsoina hoe: Kinainay (Martin Pecheuroraka) ireto zaza. Ny nahagaga ireo nanatri-maso anefa, rehefa niala aina io vorona io, dia niala aina koa ireto ankizy namono azy, ary naira-maty tamin’ilay biby novonoiny izy ireo. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia matetika miseho any amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ity tranga ity, ka maro amin’ny mponina no manaja amin’ny maha saro-pady an’ity vorona tsy azo kasihana kanefa azo ompiana ity. Farany teo izao, tany Ampanihy Andrefana, lehilahy iray niandry omby nitoraka io vorona io, izay voa teo amin’ny tongony no tapa-tongotra. 

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici