- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBekobay Mahajanga : Atao famotorana ilay zandary namono olona

Bekobay Mahajanga : Atao famotorana ilay zandary namono olona

« Tsy natao hitahiry olon-dratsy ny zandarimaria ary na iza na iza mandika lalàna dia tsy maintsy handraisana fepetra … » araka ny fitenin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary. Taorian’ilay tranga nahavoarohirohy zandary iray, tao Bekobay, Mahajanga II ary nahafatesana olona mihitsy dia efa nandray andraikitra tanteraka izy ireo. Nosamborina ary notanana natao famotorana avy hatrany ilay mpitandro filaminana nahavanon-doza araka ny fanazavana azo tany an-toerana. Noraisin’ny zandary an-tanana kosa ny fikarakarana ny razan’ilay tovolahy namoy ny ainy sy ny fitsaboana ireo naratra.

Raha tsiahivina kely dia nisy alim-pandihizana tany an-toerana ny alin’ny alakamisy lasa teo. Nisy mpitandro filaminana tao anatin’izany niezaka nandamina ary voalaza nisy iray tamin’izy ireo no efa mamo. Tsy fantatra izay nahazo ity farany fa avy hatrany dia namoaka basy izy ary nitifitra ireo olona sendra azy. Olona telo no voan’ny bala : ny iray maty tsy tra-drano ary roa hafa naratra. Nitroatra sy tezitra ny olona, indrindra fa ny fianakavian’ny maty

Taorian’ity tranga ity moa dia nisy avy hatrany moa ny fidinana nataon’ny tompon’andraikitry ny zandary sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny teo anivon’ny OMC tany an-toerana ary niezaka nandamina ny toe-draharaha. Tamin’izay no nanapahana hevitra ny handraisan’ny zandarimaria an-tanana ny fikarakarana ny razana sy ny fitsaboana ireo naratra. Marihina fa iray tamin’ireo naratra no voatery nalefa tany an-drenivohitra, raha najanona tao amin’ny hôpitaly tao Mahajanga ny iray hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici