
Tsy nisy intsony teto ny kiantranoantrano na dia tompon’andraikitra tao amin’ity zana-tobi-paritry ny zandary tao Bekobay ity aza ilay voarohirohy. Rehefa nanao fandikan-dalàna dia tsy maintsy mizaka izay vokany : nadoboka am-ponja vonjimaika mantsy ilay zandary nahatifitra olona tao Bekobay Mahajanga II rehefa natolotra ny Fampanoavana ny andron’ny talata teo. Raha tsiahivina dia ny faran’ny herinandro teo no niseho ity tranga tany an-toerana nandritra ny hetsika ara-java-kanto iray. Niafara tamin’ny alim-pandihizana io hetsika io ary tamin’izay no nirefotra ny basy. Voalaza fa efa mamo rahateo ity mpitandro filaminana ity tamin’io fotoana io ka tsy nahafehy ny fitondran-tenany intsony. Nampiasainy tamin’ireo sivily tsy manan-tsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy. Olona telo no niantefan’ny bala tamin’io fotoana io : tovolahy iray no namoy ny ainy avy hatrany ary ny roa kosa naratra mafy, izay voatery nampiakarina tao Mahajanga sy taty an-drenivohitra mihitsy. Voatery nidina tany an-toerana nanao ny fandaminana ny tompon’andraikim-panjakana isan-tokony teo anivon’ny OMC sy ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana satria saika nihitatra ny raharaha. Soa fa nalaky voalamina ihany izany. Notanana natao famotorana taorian’io ilay zandary voatondro ho nitifitra ary io natolotra ny Fampanoavana io. Miandry ny fotoam-pitsaràna azy any am-ponja aloha araka izany ingahy sefo taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana.
m.L




