Vao maraina, omaly, dia efa nametraka sakana mihazo ireo faritra efatra azo tsidihana ao amin’ny tsingin’i Bemaraha, any amin’ny distrikan’Antsalova, ny fokonolona, notarihin’ireo ben’ny tanàna manodidina an’ ity faritra arovana ity. Vokatr’ity ny barazy nisy nandritra ity hetsi-bahoaka ity, dia tsy nisy fiara afaka niditra, ka nitohana izaitsizy ny fifamoivoizana, ary niveri-maina avokoa ireo vahiny mpizaha-tany nikasa handeha maraina hitsidika an’ireo « circuit » efatra misy ao amin’ity tsingy ity. Nampiaka-peo ny ben’ny tananan’i Bekopaka, Franklin Miandrizoky, fa ela nandeferana ny vahoaka. Mahatsiaro ho tompony mangataka atiny ny vondron’olona ifotony sy ireo kaominina misy ny Tsingin’i Bemaraha, izay tsy misitraka akory ny tombontsoa azo amin’ny fisian’io faritra arovana nanomboka ny taona 1997, mahasarika mpizaha tany vahiny aman’aliny isan-taona ity, satria ny « Madagascar National Parks » no mitantana azy sy ny vola saram-pidirana ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia ny 50%-n’ny vola miditra ao amin’ity valan-javaboahary ity, dia natokana hanaovana tetikasa ara-tsôsialy eo amin’ireo Kaominina manodidina. Tsy arakaraka izay ny zava-misy, raha ny nambaran’ity olom-boafidy ity hatrany, fa na ny biraon’ny Kaominina aza tsizarizary, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana misy mampikaikaika ny vahoaka.
Eric Manitrisa