- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBelalanda Toliara : Trano miisa 32 may kila forehitry ny afo

Belalanda Toliara : Trano miisa 32 may kila forehitry ny afo

Nifanesisesy tato ho ato ny haintrano nitranga tany amin’ny distrikan’i Toliara II. Afak’omaly antoandro, tokony ho tamin’ny iray ora, trano miisa 32 no may kila forehitry ny afo, tany amin’ny fokontany Amboaboaky, kaominina ambanivohitra Belalanda. Lasa lavenona hotohoton’ny afo avokoa ny entana rehetra tamin’ireo trano may, ka fianakaviana 60 isa ankehitriny no traboina tsy manan-kialofana sady very fananana. Raha ny vaovao voaray, tsy fantatra ny niaingan’ny afo nahatonga ny firehetana. Efa ao anatin’ny fanadihadihana tanteraka amin’izao ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tena marina nahatonga ity haintrano ity na vokatry ny tsy fitandremana na ankasomparana. Manoloana an’izao loza izao, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa sy ireo malala-tanana ny ben’ny tanàna Raherisoa Mapaci, mba hanampy faran’izay haingana ireo traboina miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny, satria dia lamba eny an-koditra no hany sisa eny amin’ireo niharam-boina.

Eric Nahoda

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici