mercredi, avril 23, 2025
AccueilFaits-DiversBelavabary-Tsaratanàna : Lehilahy iray indray no lasan'ny jiolahy an-keriny.

Belavabary-Tsaratanàna : Lehilahy iray indray no lasan’ny jiolahy an-keriny.

Very fanahy mbola velona ny mponina any amin’ny tapan’ny atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny an-kehitriny, manoloana ny zavatra hiainan’izy ireo, amin’ity resaka trangana  » kidnapping ity. » Ilay ankizy mpianatra niisa telo avy any ambanivohitra nalain’ny jiolahy an-keriny tao an-tampon-tanàna ny renivohitry ny kaominina Brieville, tamin’ny faha 09 Janoary taona 2025 teo iny, mbola tsy azo eo am-pelatanan’izy ireo, ity indray nisy iray lasa an-keriny. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga, tany amin’ny tanàna atao hoe: Belavabary, fokontany Begisa, any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka dia ny alin’ny faha 13 Janoary taona 2025 teo, tokony tamin’ny 11 ora mahery 40 minitra tany ho any no lasan’ireo jiolahy an-keriny ny lehilahy iray. Tsy nisy naratra sy aina nafoy moa nandritra ny fakana an-keriny nataon’ireo malaso tao amin’io toerana voalaza etsy aloha io. Tsy fantatra mazava ihany koa ny lalan’izy ireo nitondra ny olona an-keriny hatreto. Efa mitohy kosa ny farahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy. Tsy milamin-tsaina ny fokon’olona any an-toerana amin’ity resaka fakana an-keriny manao isakan’ny herinandro ity, ka nohon’izany dia manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mahefa izy ireo, mba hamahana ny olana sedrain’ireo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici