- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBelazao Antsirabe : Lehilahy lehibe iray maty netin’ny riaka

Belazao Antsirabe : Lehilahy lehibe iray maty netin’ny riaka

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona eo no maty netin’ny riaka ny alahady lasa teo tao amin’ny kaominina Belazao Antsirabe faharoa . Tany amina kilaometatra maro vao hita ny fatin’ilay rangahy rehefa nozahan’ny fokonolona nandriatra ny tapakandro maraina  manontolo ny Alatsinainy teo. Fantatra fa hividy fanafody ho an’ny havany marary ao Abohinapetraka no nivoahany ny trano. Tratran’ny orana anefa ranamana ka nivily tao Belazao nialoka sy mbola namangy ny havany. Noraran’ireto farany izy tsy handeha raha tsy mitsahatra ny orana saingy tsy nahasakana azy ny havany fa mbola nandeha nanao jijan-korana ihany izy. Marihina fa misy hady sy riaka mahery vaika amin’ny lalana tsy maintsy hombany ary teo amin’io faritra mampidi-doza io mihitsy ity raim-pianakaviana ity no lasan’ny riaka.

Tsy vao sambany no nisy olona maty lasan’ny riaka tahaka izao tao Belazao fa nisy maty vao haingana ihany koa tao niaraka tamina moto, nisy ny maty niaraka tamin’ny omby mihitsy aza noho ilay hady be sy ny tanjaky ny ranon-driaka mandalo amin’io toerana io;

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici