- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihana : Lehilahy hita faty, efa simba tanteraka, voalaza fa novonoin’ny...

Belo Tsiribihana : Lehilahy hita faty, efa simba tanteraka, voalaza fa novonoin’ny mpampandry tany

Andro maromaro no tsy nahitana intsony ity lehilahy ity. Nony hita anefa, indrisy fa efa tsy nisy aina intsony. Zara raha fantatra ho olona satria dia efa potika tanteraka ihany koa. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, na ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izany na ny eo anivon’ny Tafika. Ireto farany, izay voalaza fa hoe « tompon’antoka tamin’ny famonoana ».

Ny zava-nitranga: lehilahy iray no hita faty tao Ambalakida, distrikan’i Belo Tsiribihana, ny talata lasa teo. Mampivarahontsana tanteraka ny nahita ny razana satria dia saika efa lanin’ny biby avokoa ny nofon-tongony rehetra, ny ratsam-batany. Ny tarehiny dia efa tsy misy hamantarana azy ho olona intsony fa efa potika sy lo tanteraka ihany koa. Ankevitry ny efa naharitra andro maromaro ny nahafatesany talohan’izao nahitàna azy izao. Araka ny filazan’ny fianakaviany izay manaparitaka ny vaovao ao anaty tambajotra sosialy tao dia toa hoe efa tamin’ny alarobia 10 jolay izy no « nalaina » tao amin’ny tananany, ary tsy hita nanomboka teo. Afak’omaly no nisy nahita ny razana, ary fantatra tamin’ny alalan’ny akanjo nanaovany fa ilay lehilahy tsy hita io. Niahiahy vono olona niniana nataon’ireo « naka azy » avy hatrany moa ireo fianakaviana ary nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsaràna tany an-toerana.

Tonga tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ny zandary tompom-paritany, niaraka tamin’ny dokotera nanao ny fizahana. Fantatra teo, araka ny autopsie natao, fa « tsy tifitra velively aloha no nahafaty ity olona, satria tsy nahitàna diam-bala taminy » araka ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana. Nanamafy izany ihany koa ny iraka, dokotera miaramila nalefan’ny teo anivon’ny Tafika malagasy, nanampy tamin’ny fanaovana « autopsie », araka ny fanazavàna nomen’ny teo anivon’ny Seraseran’ny Tafika. « Nisy namono tokoa ilay olona saingy tsy tamin’ny alalan’ny tifitra aloha. Nahitàna diana zava-maranitra teo amin’ny lohany, izay heverina fa antony nahafaty azy ». Nitondra fanazavàna ihany koa ny teo anivon’ny Tafika mahakasika ny filàzana fa hoe « ireo miaramila mpampandry tany no tao ambadik’io famonoana io ». « Marihana aloha, hoy izy ireo fa nisy hetsika fampandrian-tany tokoa tany an-toerana tamin’io fotoana io. Saingy tsy mbola tonga tany amin’ilay tanana voalaza fa nangalàna ilay lehilahy izay hita faty nony avy eo ireo miaramila tamin’io fotoana io ». Na izany na tsy izany aza anefa, raha ny fanazavàna hatrany dia fitsirihana am-boalohany ihany izany fa tsy maintsy hisy fanadihadiana lalina hatao. Tsy azo leferina mantsy ny toe-javatra toy izany raha sanatria tokoa ka voamarina fa ireo mpampandry tany no nanao izao heloka bevava izao. « Tsy natao hamono olona akory ny miaramila fa hiaro ny vahoaka », araka ny tenin’ny Kly Jocelyn, Kaomandin’ny Hery vonjy taitra eo anivon’ny Tafika malagasy. Etsy andanin’izay ihany koa, satria nisy vono olona tao dia nandray an-tanana ny raharaha ihany koa ireo zandary tompon’andraikitra any amin’iny faritra iny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici