- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBelo Tsiribihina : Fifandonana tamin’ny dahalo, miaramila iray namoy ny ainy

Belo Tsiribihina : Fifandonana tamin’ny dahalo, miaramila iray namoy ny ainy

Manao ny ataony hatrany ny andian-dahalo any amin’iny faritra Menabe iny. Vao omaly no nisy fifandonana indray teo amin’ireo mpitandro filaminana sy andian-dahalo avy nanafika tanana iray tany amin’iny distrika Belo Tsiribihana iny. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy maherin’ny fon’ny firenena iray indray no lavo tao anatin’izany fifandonana mahery vaika izany. Miaramila iray avy ao amin’ny Holafy faha-510 no maty voatifitr’ireo malaso tao Ambiky, kaominina Masoarivo, distrikan’i Belo Tsiribihana. Voalaza fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ireto miaramila ireto raha vao nahazo antso vonjy tamin’ireo mponina, mahakasika ilay fanafihan-dahalo. Nifankatratra teo amin’io toerana io voalaza etsy ambony io, ireo mpanara-dia sy ireo nohenjehina ka raikitra teo ny fifandonana. Etsy andanin’izay ireo andian-dahalo, izay mataho-maty ary sahy mihantsy tanteraka ireo mpitandro filaminana sy ireo fokonolona nanenjika azy ireo ary tetsy an-kilany, ireo miaramila izay nanao fianianana ho an’ny Tanindrazana ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Nahery vaika tokoa izay fifampitifirana izany ka tamin’io no nahalavo ny Serzà Sefo Manjakavelo Gatien, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Tafika. Nentina niverina nihazo ny toby ny vatana mangatsiakan’ity mahery fo lavo an-tanim-piadiana ity raha toa kosa mbola mitohy ny hazalambo sy ny fanenjehena ireo dahalo any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici