Voarohirohy ho isan’ny namono nahafaty olona teo amin’ny tanàna nisy azy ity lehilahy iray, manodidina ny 30 taona ity, tany Belobaka, Tsiaroanomandidy. Nosamborina ary natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny zandary. Tsy fantatra izay niseho tao ny alina fa ny ampitson’io, raha hamangy sy hanati-bary azy ny havany no nahita azy efa tsy niaina intsony. Teo no ho eo ihany dia nentin’ireo havany niakatra taty an-dreniovhitra ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy, izay voalaza fa tsy maintsy hatao “autopsie” hahafantarana izay tena zava-nisy marina. Omaly no tonga tetsy amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly izany. Raha ny fanazavàna azo dia toa hoe nahitàna diana mangana teo amin’ny tendany, toy ny hoe avy nokendaina izany. Raha ny fanazavàn’ny tomponandraikitry ny zandary any amin’iny faritra iny dia hoe maty nananton-tena tao amin’ny tranomaizina kely nitazomana azy ity lehilahy ity. Ary ny “sous-vêtement” nanaovany ihany no nesoriny sy nataony ho toy ny karazana tady namatorany ny tendany, avy eo nahantony tamina “grille de protection”-n’ilay “violon”, hoy hatrany ny fanazavàna. Izy efa tsy nisy aina intsony ihany koa vao hitan’ireo mpiambina. Antony nahatonga ilay faritra mangana teo amin’ny tendany, raha izay fanazavàna izay no arahina.
m.L