Mitohy hatrany any amin’ iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny, ny fanaovan’ny vahiny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Araka ny tati-baovao marim-pototra voaray, dia misy sambo lehibe dimy an’ny teratany vahiny mampiasa harato lavabe kely maso no manjono ao Lavanono, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Tranovaho, Distrikan’i Beloha Androy. Ny mahagaga ny maro anefa, dia amin’ny alina hatrany ireto sambo vahiny lehibe ireto no manarato, kanefa milaza ho manana taratasy ara-dalàna sy nahazo alàlana afaka mitrandraka, ary raofin’izy ireo avokoa ny harena eny an-dranomasina, hatramin’ny trondro madinika, ka zara raha mahazo trondro kely sisa ireo mpanjono zanatany. Nanomboka ny 21 jona lasa teo no efa nanao fitaraina sy antso avo tany amin’ny tompon’andraikitra mahefa isam-baratongany ny vahoaka any an-toerana, noho ny fanapotehana ny asa fiveloman’ireo mpanjono madinika, nefa antso an’efitra tsy misy valiny izany mandrak’ankehitriny, araka ny fampitam-baovao azo tamina Ben’ny tanàna iray, izay tsy tononina anarana sy toerana misy eto, noho ny antsojay sy ramatahora atao aminy. Manaitra ny fanjakana foibe, indrindra ny ao amin’ny minisiteran’ny jono sy ny harena an-dranomasina, ity olom-boafidy solontenam-bahoaka ity. Raha ny fanazavana azo hatrany mantsy, dia tsy mionona fotsiny amin’ny fakana trondro ihany ireo vahiny mpanjono, fa raofin’izy ireo hatramin’ny sokatra an-tanety ihany koa. Izay tompon’andraikitra nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ity raharaha ity, nandritra ny fanadihadiana natao, dia tsy nisy sahy nety namaly ny fanontaniana napetraka taminy avokoa.
Eric Manitrisa