- Publicité -
jeudi, octobre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemangoraka-Betsiboka : Nampidirina am-pasan-drazana ny Jeneraly Noel

Bemangoraka-Betsiboka : Nampidirina am-pasan-drazana ny Jeneraly Noel

Henin-kaja sy voninahitra nanoloana ny fanontronan’ireo olona marobe avy lavitra sy ny teo amin’ny manodidina ny fianakaviana sy ny zanaka navelan’i Jeneraly RAKOTONANDRASANA Noël Girardin nandritra ny famonosa-damba sy famindrana ny taolam-balony, ny Zoma faha 02 Oktobra taona 2026 teo, tao amin’ny fokontany Bemangoraka, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, distrikan’i Maevatanàna, faritra Betsiboka. ‎Tsy diso anjara tamin’ny fanomezam-boninahitra ny lanonana nisy ny solotena avy amin’ny sampandraharam-panjakana aty an-toerana sy ny mpitandro ny filaminana, ary ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena Betsiboka, noho ity Jeneraly efa Minisitry ny Fiarovam-pirenena Malagasy teo aloha, saingy eo ihany koa ny maha Ray aman-denin’ny fiaraha-monina azy tato anatin’ny faritra Betsiboka tamin’izany no atom-pisian’izay. ‎ ‎

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici