
Tsy fandriam-pahalemana, doro tanety, tsy voatanisa ny fahavoazana aterak’izany, na amin’ny lafiny sosialy na ara-toekarena. Andro vitsivitsy lasa izay, dia may vokatry ny doro tanety ny “Hotel Olympe”, trano fandraisam-bahiny lehibe iray ao Bemara. Vokatr’izany, fahavoazana lehibe no mahazo ny tompony. Tsy vitsy ireo mpiasa mamelona fianakaviana maro no very asa vokatr’izao hetraketraka ataon’ny olona tsy mataho-tody izao. Hihena araka izany ihany koa ireo mpizaha tany vahiny na eto an-toerana. Tsy misy firy intsony ny fidiram-bola ho an’ireo mponina any an-toerana izay miainana ao anatin’ny fahasahirana lalim-paka.
Anastase