- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemarivo Maevatanàna : Dahalo roa maty voatifitra

Bemarivo Maevatanàna : Dahalo roa maty voatifitra

Omaly vao maraina dia nisy ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny olona voalaza fa dahalo, tao amin’ny fokontany Bemarivo, distrika Maevatanàna. Vokany, roa tamin’ireo voatondro ho olon-dratsy no maty ary iray kosa no tafaporitsaka.

Tsy nijanona hatreo amin’ny fisamborana an’ireo olona 28  tao Bemoroma, fokontany Maromainty, distrika Maevatanàna ny raharaha tamin’ilay resaka vono olona nahafatesana mpandraharaha iray avy tao Antanimbary, ny faha-11 ny volana aprily lasa teo. Mbola nitohy ny savahao sy ny fikarohana ireo izay olon-dratsy nahavanon-doza tamin’io resaka io. Omaly dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo teo anivon’ny zandary, avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka, tany Bemarivo. Raha ny fampitam-baovao azo anefa dia tratry ny kendry tohana teo anelanelan’i Tsinjorano sy Bemarivo ireto zandary ireto. Olona telo niaraka tamn’ny basy no nanakan-dalana azy ireo, raha ny fampitam-baovao azo. Raikitra avy hatrany teo no ho eo ihany ny fifampitifirana, teo amin’ny roa tonta, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina mahery kely teo. Roa tamin’ireto olona nifanandrina tamin’ny zandary ireto no maty tsy tra-drano, rehefa voatifitra. Nijanona teo noho ihany moa izany fifampitifirana izany rehefa lavo ireto olona ireo. Nanao tari-dositra nitsoaka teo  koa ilay olona fahatelo naman’izy ireo. Heverina hoy hatrany ny vaovao fa mety ho naratra voatifitra ihany koa ity farany, satria mbola nahitàna rà nitete teny amin’ny lalana nitsoahany. Efa eo am-panarahana ny dian’izany olona naratra izany moa ireo mpitandro filaminana. Mahakasika iretsy dahalo anankiroa lavo kosa dia efa tonga teny an-toerana ny mpitsabo nanao ny fitsirahana ny razana. Taorian’izay dia nomena ny fokonolona izany hikarakarana ny fandevenana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici