- Publicité -
samedi, novembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemokotra-Maevatanàna : Zandary iray hita faty tao an-tranony, ahiana ho nitifi-tena

Bemokotra-Maevatanàna : Zandary iray hita faty tao an-tranony, ahiana ho nitifi-tena

Ny marainan’ny zoma teo, zandary iray no hita faty tao amin’ny trano fonenany, taorian’ny nahenoana feom-basy tao amin’ilay toby.

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy 40 minitra maraina no nahenoana poa-basy avy tao amin’ny tranon’ilay zandary. Niezaka niantso azy tamin’ny finday ny lehiben’ny toby, saingy tsy nahazo valiny. Noho izany dia nampiantsoina ny lehiben’ny fokontany sy ny olona vitsivitsy teo an-toerana mba hijery ny zava-nisy. Rehefa voasokatra ny varavaran-trano dia hita teo ambony fandriana ny razan’ilay zandary, izay mbola nanao fanamiana. Basy marika FAC, mitondra ny laharana 06770, no hita teo akaikiny. Araka ny fizahana voalohany, ahiana ho nitifitra ny tenany tamin’io fitaovam-piadiana io izy. Randriambololona Solofo Davinot no anarany, zandary miasa eo anivon’ny zanatobim-paritra Bemokotra izay eo ambany fiahian’ny zandary ao Maevatanana. Araka ny vaovao voaray, vao avy nandray anjara tamin’ny iraka momba ny fitandroana ny filaminana nandritra ny lanonana famadihana tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Bemokotra izy, niaraka tamin’ny zandary roa hafa. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina no nifaranan’io iraka io. Niverina tao amin’ny trano fonenany izy taorian’izay. Tsy nisy olona niaraka taminy tao an-trano tamin’io fotoana io. Any Ambatondrazaka kosa no misy ny vadiny, izay voalaza fa efa miandry fotoana hiterahana. Mbola tsy fantatra mazava hatreto izay mety ho antony nahatonga izao tranga izao. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra sy ny mpiara-miasa taminy, tsy nahitana olana manokana na fihetsika nampiahiahy nasehon’ilay zandary talohan’ny nitrangan’ny loza. Voalaza ihany koa fa tsy tao anatin’ny fahamamoana izy. Nisy kosa ny resaka nambaran’ilay zandary tamin’ireo namany taorian’ny fialan-tsasatra nandritra ny folo andro tany Ambatondrazaka, tamin’ny volana septambra lasa teo. Taorian’ny famadihana ny rainy tamin’izany, dia voalaza fa nilaza tamin’izy ireo izy fa niseho taminy ny rainy ary nilaza fa haka azy tsy ho ela. Tsy mbola misy anefa ny porofo ahafahana mampifandray izany resaka izany amin’ny fahafatesany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici