
Tomponandraikim-panjakana iray no namoy ny ainy vokatry ny fanafihana nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Benenitra, any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny, omaly vao maraim-be. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina tany ho any, ny alakamisy hifoha zoma teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Berevo, kaominina sy distrikan’i Benenitra. Araka ny angom-baovao dia tokatranon’ny Lefitry ny ben’ny tanàna no notafihan’ireo olon-dratsy. Miisa dimy teo izy ireo araka ny vaovao azo, ary samy nirongo basy sy fitaovam-piadiana. Nanao an-keriny niditra tao amin’ity tokantrano izy ireo ary nandrahona ny tompon-trano. Ankevitry ny nisy fifamaliana ihany teo amin’ireto olon-dratsy sy ny tompon-trano kanefa sendra ny be noho ny vitsy ity farany ka tsy nahaleo tosika azy ireo. Tsy nisalasala ihany koa iretsy mpanafika nitifitra azy ankitsirano. Namoy ny ainy vokatr’izany ity tomponandraikitra faharoa eo anivon’ny kaominina Benenitra ity. Nanjakazaka tao an-trano araka ireto mpanafika ary nitondra izay zakany taorian’ny namonon’izy ireo ny tompon-trano io. Tao anatin’izany ny basiny, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Mazava ho azy fa nitsoaka toy tsy teo izy ireo vantany vao nahazo ny zavatra nilainy. Nampandrenesina avy hatrany moa ny mpitandro filaminana taorian’io ary nisy fanetsehana ireo rehetra manodidina hanao ny sakan-dalana. Tetsy an-danin’izay dia efa raikitra tamin’io omaly io ihany ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana hanenjehana sy hikarohana ireto olon-dratsy ireto.
m.L


