- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBEPC 2020 Cisco Toamasina I : 48,31% ny taham-pahafahana, 100% ny an’ny...

BEPC 2020 Cisco Toamasina I : 48,31% ny taham-pahafahana, 100% ny an’ny CEG « de Référence »

Natao ny zoma maraina teo tamin’ny 09ora ny fifantenana ireo naoty tokony ahafahana ny fanadinana BEPC 2020 teto amin’ny Cisco Toamasina I. Taorian’izany dia fantatra fa nahatratra 48,31% ny taham-pahafahana, izay nahitana fitomboana 20,30% raha noharina ny taona nivalona izay tsy nisy afa-tsy 28,61% monja. Raha nojerena ny mpianatra nahazo ny naoty farany ambony tamin’ireo mpiadina dia azanon’ny mpianatra teo anivon’ny kolejy La Salle na Stella Maris teo aloha tamin’ny isa 18,67/20 raha tsy nisy afa-tsy 17,77/20 ny isa ambony indrindra ny taona lasa iny. Samy nanao ny ezaka rehetra ireo sekoly tamin’ny fanafahana ny mpianany avy, saingy noho ny fihibohana sy ny fatapatapahan’ny fianaran’ny mpianatra noho ny valanaretina Covid-19, saingy nanana tombony tamin’ny fahafahana ny mpianatry ny CEG « de Référence » satria 100% ny mpianatra tao aminy no afaka BEPC 2020 soa amantsara. Izy irery no sekoly nahazo izany 100% izany araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Toamasina I Marolahy Joseph. Afaka herinandro indray izany dia mifanome fotoana amin’ny valin’ny fidirana 2nd ny eo anivon’ny Cisco Toamasina I. Efa afaka jerena eny anivon’ny Cisco Toamasina I sy ny Dren ary ny Epp Beryl ny valin’ny fanadinana, ankoatra ireo sekoly tsy miankina samy hafa eto Toamasina nanana mpanala BEPC 2020.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici