
Diabe niainga avy eo amin’ny kianjan’ny » Balisa » namakiavaky ny tanàna no nentina nanombohana ny lanonana nokarakarain’ny FFM, tao amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, distrikan’i Maevatanàna ny marainan’ny Zoma 06 Novambra 2026 teo. Taorian’izay, dia niroso tamin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny birao sy ireo mpikambana mandrafitra ny FFM, any amin’ny tanàna voalaza etsy aloha ny hetsika. Voatendry ho mpandrindra kaominaly Ramatoa Hatriniaina Noella Xavier, izay teo amban’ny fitarihan’Andriamatoa Tsirinantenaina Gabriel Aimé, filoha rezionalin’ny Fanilon’ny Fanavaozana an’i Madagasikara aty amin’ny faritra Betsiboka sy ireo ekipa eto Maevatanàna sy ny avy any Tsaratanàna, ary Andriba. Nanamafy nandritra ny lahateny nataony ny filoha mpitarika ity fikambanana ity, fa mbola misy hatrany ny tsindry sy kolikoly aty amin’ny faritra Betsiboka no mitaky fanovana izany mba hatrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana mijoro an-kehitriny. Nofaranana tamin’ny fiarahana nisakafo niarahan’ny rehetra ny lanonana tany an-toerana no hitohy tsy ho ela any amin’ny Kaominina ambanivohitra Marokoro kosa ny fandrakafona izany.
Ratantely



